kolontsaina

Fikambanana tanora TAMIHAKO Hamelona indray ny maha Malagasy


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Cemdelac Analakely » teo ambany fiahian'ny ray mpiahy Atoa Michel Domenichini Ramiaramanana ary notronin’ny solontenan’ny

 

 

 

Akademia Malagasy sy ny solontenan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny fampahafantarana tamin'ny fomba ofisialy sady fitsofan-drano ny fikambanana tanora Malagasy TAMIHAKO (TAnora MIahy ny HAsina sy ny KOlontsaina) ahitana mpikambana 15, Vinan’ny fikambanana ny « Hamelomana indray ny fifikirana amin'ny maha malagasy" eo anivon'ny tanora araka ny filamatry ny fikambanana : Fitiavan-tanindrazana – Fifanajana – Fifanampiana. Nasehon’ireo tanora tamin’io sabotsy io ny fahafehezan’izy ireo ny teny Malagasy tamin’ny alalan’ny fihantsana tononkalo, fanaovana kabary, fiangaliana ny dihy sy hira Malagasy ary fanaovana tantara an-tsehatra ihany koa. Nisy tany amin’ny faran’ny lanonana ny fanapahana ny koban-draviny ho mariky ny fizarana ny mamy vokatry ny hafaliana.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT