Fikambanana Tandroharena

«Manana adidy hanarina ny tontolo iainana isika!»


  • Talata 12 Novambra 2024

Anisan’ny vakoka voajanahary tsy azo tsapain-tanana na «Patrimoine naturel immatériel»

ny antsoina hoe tontolo iainana, hoy ny fikambanana Tandroharena na ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba ny vakoka. Manana adidy hanarina ny tontolo iainana isika ankehitriny, hoy izy ireo! Isan’ny azo atao izany eto Antananarivo renivohitra, izay io iaraha-mahita io ny hafanana midangana sy ny fahalotoan’ny rivotra. Andeha haverina indray ilay fifanentanana mikasika ny tsy tokony hanarinariana ny rano avy nampiasaina any an-tokantranontsika any fa mba ezahina afafifafy hanamando ny tany na dia eo an-tokontanintsika ihany aza. Tena fahoriana ho an’ny malagasy izany nilaozan’ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany izany. Mitady hihatra amin’Antananarivo renivohitra izany ankehitriny ary mampahory faritra maro eto amin’ny firenena ihany koa. Io fafy rano eo an-tokontany isan-tokantrano io noho izany dia efa azo antenaina fa ho anjara birikintsika goavana hisintonana ny rotsakorana hanamando ny tanintsika, hoy hatrany ity fikambanana ity, nanentana izay azo entanina rehetra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT