kolontsaina

Fikambanana “Ravao io colisée io” Hitokona manoloana ny ambasady ao Paris


  • Zoma 09 Oktobra 2020

Rahampitso sabotsy 10 oktobra 2020 ny fotoana manoloana ny ambasadin’i Madagasikara ao Paris renvohitra Frantsa,

 hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana “Ravao io colisée io” na Vondrona miaro ny hasin’ny rova. Araka izany dia fitakiana ny amin’ny handravana ity fotodrafitrasa tsy isam-bakoka anaty rovan’Antananarivo ity no tanjon’izy ireo. Nanamafy izy ireo, araka izany, fa tsy ekena ny fananganana ity kolontsaina greko-romanina ity anatina rova. Ny 4 jolay teo moa, raha tsiahivina, no nisian’izay hetsika nanoloana ny ambasady Malagasy izay notontosain’izy ireo tao an-toerana. Somary nahagaga ihany koa moa etsy ankilany ny tsy nahenoana resaka intsony momba ny tohin’ny fananganana ity fotodrafitrasa ity avy amin’ireo tomponandraiki-panjakana eto an-toerana, indrindra fa ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina izay tena nivoy azy tato anaty hahamehana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT