kolontsaina

Fikambanana Ny Apinga Kabary “Fototry ny fampandrosoam-pirenena ny kabary”


  • Zoma 16 Septambra 2022

15 taona izay no nijoroan’ny fikambanana Ny Apinga kabary ara-panjakana, hoy ny filohany, Manampisoatoavina Mitahiry Fahendrena.

Nampianatra kabary maimaimpoana hatrizay izahay, hoy izy, ary an-arivony ireo mpianatra efa nivoaka tato. 500 isa isan-taona no mpianatra avoaka, izany hoe mpikabary asandratra, isaky ny fankalazana ny 1 volan’ny teny malagasy. Mivoy sy mampianatra ny fiarahamonina hampiasa ny teny malagasy isan’andro izahay izao. Ny alarobia 21, sabotsy 24, alahady 25 septambra, samy amin’ny 2 ora no fidirana ho an’izay vonona, arakaraky ny safidin’ny tsirairay. Toy izany koa ny toerana ianarana na CEG Ampefiloha na EPP Antsahabe, CEG Bemasoandro Itaosy, Lisea tsy miankina Imerina afovoany Talatamaty, Lisea tsy miankina Masindahy Jean Anglikanina Ambohimangakely. Tanjona ny hoe “tokantrano iray, mpikabary iray” satria isaky ny tokantrano no hamerenana ny hasin’ny fiarahamonina. Tsy ho faty mihitsy io kabary malagasy io satria vao teraka ny zaza dia misy ny hoe “Kabary fiarahabana terabao”. Raha zazalahy ilay zaza dia mbola misy ny “arahaba ririnina”. Raha nahavita fianarana dia arahabaina koa. Misy ny kabary am-panambadiana, kabary an-karatsiana, kabary amin’ny famadihana. Fototry ny fampandrosoam-pirenena koa io satria fanandratana sy fikojakojana kolontsaina. Efa hitan’izao tontolo izao io satria ny 15 janoary dia efa lasa andro ho an’ny kabary, hoy hatrany Ny Apinga Kabary, ka andeha hiara-hientana hampandroso ny kolontsaintsika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT