FIKAMBANANA MISS MAMAN MADAGASCAR

Hanome fiofanana maimaim-poana ny Renim-pianakaviana


  • Alatsinainy 27 Janoary 2025

Fototry ny adin’ny mpivady ao an-tokantrano amin’izao ny resa-bola.

Mihafara amin’ny fanaovana herisetra mihitsy izany ho an’ireo Renim-pianakaviana tsy an’asa, antony nanosika ny Fikambanana “Miss Maman” hanome fiofanana maimaim-poana ireo mpikambana ao aminy. Hamorona asa maimaim-poana ho an’ny Renim-pianakaviana ihany koa ny fikambanana ho fanampiana amin’ny fiatrehana ny fiainana. Ankoatra io tetikasa ara-tsosialy goavana hosahanin’ny fikambanana io moa dia hisy ihany koa ny fifaninana “Miss Maman” hatao manerana ny Nosy. Tanjon’ny fikambanana ny hampifaly sy hampiala voly ny Renim-pianakaviana nefa hanohana azy ireny arak’asa ihany koa ho fanamorana ny fiatrehana ny fiainana amin’ny andavanandro. Saika any amin’ny vehivavy avokoa mantsy no mifatratra ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena isan’andro sy ny olana ao an-tokantrano maro samihafa tsy maintsy vahana ka ilana fifanohanana sy fifanampiana izany. Hijery manokana ireo Reny manana fahasembanana ihany koa ny Fikambanana.
Pati
Legende : Maro ady hatrehina ny vehivavy ka mila tohanana sy ampiana amin’ny alalan’ny fiofanana tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT