kolontsaina

Fikambanana Lato Hampilalao ireo ankizy tsy afaka mandeha manao vakansy


  • Zoma 14 Jolay 2017

Toy ny fanaony isan-taona dia hampilalao ireo ankizy madinika efatra ka hatramin’ny 13 taona etsy amin’ny ANS Ampefiloha indray ny fikambanana Lato, tarihin’ny filohany Natolotra Rajaonarifetra

 

manomboka ny 18 jolay ho avy izao. Haharitra iray volana ny hetsika. Anisan’ny tanjon’ny fikambanana ny hizara ny  fitiavany ireo kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ireo karazana kilalao Malagasy fahiny. Raha tsiahivina, efa tafiditra amin’ny andiany faharoa  izy ireo ankehitriny, ao anatin’ilay lohahevitra “ Andao hilalao”. Hampiavaka ity andiany ity ny fisian’ireo karazana kilalao toy ny sabaka, ny vitsiliha izay hampianarina ny ankizy, ny vako-drazana iarahana amin’ireo efa matihanina, ny fampianarana momba ny fahandroan-tsakafo na ny tsikonina … Hisy ny mpanentana miisa 20 hiara-kiasa akaiky amin’ny fikambanana, hotronin’ny fikambanana Croix rouge Malagasy izay hanara-maso ny ankizy amin’ireo toerana hilalaovany. Toy ny mahazatra dia hisy ny fitondran’ny fikambanana ny ankizy hitety ireo toerana manan-tantara eto amintsika, hatomboka amin’ny tanànan’Ampefiloha ka hatrany amin’ireo fiangonana efatra lehibe eto an-drenivohitra. Hisy ihany koa ny fitondrana azy ireo hitsidika ny pepiniere eny Ambatofotsy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT