kolontsaina

Fikambanana Iray Madagasikara Hampihavana amin’ny alalan’ny kolontsaina


  • Alakamisy 31 Aogositra 2017

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina (IKM)

Antsahavola ny hetsika Volambita izay hokarakarain-dry zareo avy eo anivon’ny Fikambanana Iray Madagasikara etsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely ny alin’ny 22 septambra izao. Manoloana ny toe-draharaha ara-toekarena sy sosialy ary politika ankehitriny, hoy ny fanazavana, dia hadino tanteraka ny soatoavina maha Malagasy ary tsy mahafantatra intsony izay tena fototra sy maha izy antsika isika, indrindra ireo tanora. Mila hampatsiahivina, araka izany, ireo fomban-drazana misy sy ny kolontsaina tokony hovoizina mba hisian’ny fahatsapana indray fa iray ihany ny Malagasy. Hisy hetsika maro hanehoan’ireo lafivalon’ny Nosy ny fomban-drazana sy ny kolontsaina raketiny amin’ity alina iray miavaka ity. Anisan’ny hampiavaka azy koa ny fandraisan’anjaran’ilay mpahay nahandro malagasy fanta-daza, Mariette Andrianjaka, hanao sakafo hafa tsiro hahatsapana ny atao hoe : « Tsiron’ny Gasy ».

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT