kolontsaina

Fikambanana HWPL Hanaparitaka ny kolontsain’ny fandriampahalemana


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Ny fikambanana « Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light » na HWPL dia hanomboka ny asany eto Madagasikara manomboka amin’ity taona 2022 ity ary izy

 ireo dia miorina amin’ny fototra miisa 5 lehibe raha ny eto Madagasikara dia ny lalàna iraisampirenena, ny fampihavanana ara-pivavahana, ny fanabeazana momba ny fandriampahalemana, ny raharaham-bahiny ary ny International Peace Youth Group na IPYG izay fikambanana ho an’ny tanora, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Tamin’ny 28 janoary 2022 lasa teo ny filohan’ity fikambanana ity, Lee Man Hee, dia nanatanteraka famelabelaran-kevitra izay nandraisan’ireo firenena miisa 55 manerana an’i Afrika mpikambana anjara. Isan’izany i Madagasikara. Mino ny HWPL fa zava-dehibe koa ny fifandraisana sy ny fifankahazoana eo amin'ny karazana fivavahana ary izany indrindra no antony nanatanterahana iny famelabelaran-kevitra iraisampirenena iny. Ny tanjon’ny fikambanana moa dia ny ahafahan’ireo mpikambana sy mpiara-miasa manaparitaka ny kolontsain’ny fandriampahalemana ary ny iriana dia ny hahatongavan’ny olona rehetra ho fo iray, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT