Fikambanana Hasin’i Gasikara

Namoaka mpikabary miisa 27


  • Talata 11 Jona 2024

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny alahady teo, tetsy Antohomadinika ny mpikabary

andiany misalotra ny anarana hoe «Mendrika». Nambaran’ny filohan’ny Fikambanana Hasin’i Gasikara izay namoaka azy ireo, Randrianaivo Serge Thierry, fa miisa 27 mianadahy ireto mpikabary vao navoaka ireto. Nandritra ny enim-bolana no namolavolana azy ireo mba ho tonga mpikabary. Mampiavaka azy ireo ny fiatrehana fanadinana in-telo miantoana izay vao tonga amin’izao dingan’ny famoahana ho mpikabary izao. Niavaka ny famoahana ireto mpikabary ireto satria tafiditra tanteraka ao anatin’ny iray volan’ny teny malagasy no nanandratana azy ireo. Nasongadin’ny filohan’ny Federasionina mpikanto ny teny sy ny soratra na ny FMTS, Fitomiandalana, fa zava-dehibe ny fisiana mpikabary asandratra tahaka izao, miaro ny hasin’ny teny malagasy. Tsy adidiko izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao, hoy izy, ny fanandratana ny teny malagasy, indrindra amin’izao iray volan’ny teny malagasy izao. Ankoatra ireo 27 mianadahy navoaka ireo dia nisy koa ireo mpikabary mpandalina miisa 19 mianadahy notolorana mari-pahaizana noho izy ireo nahavita ny fiofanana norantoviny tao amin’ny fikambanana Hasin’i Gasikara. Efa 8 taona ny nijoroan’ny fikambanana Hasin’i Gasikara ary manana tarigetra hoe «Aza atao tahaka ny antsim-bilona latsaka an-dobo ny kabary malagasy, tsara pirina fa tsy hitan’ny tompony». Tsy hiandry ela fa hisokatra ny alahady 14 jolay izao indray ny fampianarana ny andiany manaraka izay hotontosaiana eny 67ha Atsimo sy etsy amin’ny Rasalama Andravoahangy Ambony, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ity fikambanana ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT