kolontsaina

Fikambanana Hajan’ny gasy “Ny teny Malagasy aloha no tokony fehezina”


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Sahala amin’ny valalan’Amboa ka ny tompony indray no tsy tia ny teny Malagasy ankehitriny,

 

 

 

hoy ny kandida ho filohan’ny federasionina malagasin’ny teny sy soratra na FMTS sady filohan’ny fikambanan’ny mpikabary Hajan’ny gasy, Honoré Rahajasoa, nandritry ny fanamarihana ny 1 volan’ny teny Malagasy tetsy amin’ny Librairie Saint Paul Analakely omaly. Be dia be no lasa safiotra sy zary tahaka ny Ramanavy ankehitriny, hoy izy. Asa goavana ho anay ny fampirisihina ny tanora hiteny Malagasy ranoray. Latsaka dia latsaka isika ao anatin’ny fanoratana sy fitenenana ny teny Malagasy ary ny tena mampalahelo dia tsy tia teny Malagasy intsony ny tanora. Ny soratra masina moa miteny hoe ao Jerosalema aloha vao Jodia vao Samaria vao faran’ny tany. Raha resaka teny Malagasy noho izany dia tokony teny Malagasy aloha no fehezina. Marina fa misy ilay fitenenana hoe andrianiko ny teniko ny an’ny hafa koa feheziko fa ny lohahevitra novoizina tamin’ity anio ity dia hoe “Izay manaja ny teniny, manaja ny taniny”. Misy fomba fitenenana hoe “Fa itony teny itony no hanajana an’itony tany itony, izay manaja an’itony teny itony no hajain’itony tany itony.” Rahampitso zoma 18 jona moa no ho tontosaina ny fifidianana izay filohan’ny federasionina malagasin’ny teny sy ny soratra izay, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT