kolontsaina

Fikambanana “Diaraika” an’i Narson Rafidimanana Nanao ny zaikabeny voalohany


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Ny sabotsy manontolo andro teo no natao tao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly teknika “Camp” Mangarano Toamasina, ny zaikabe voalohan’ny fikambanana sosialy “Diaraika” izay tarihan’Atoa Rafidimanana Narson, minisitra teo aloha.

Efa manana ny sampana eran’ny nosy ny fikambanana na tsy feno herintaona akory no nijoroany ara-panjakana raha efa nisy ihany izany teo aloha fa mbola fikambanana tsy nisy sata. Saika tonga avokoa ireo solon-tenan’ny mpikambana avy amin’ny faritra manerana ny nosy, izay nentin’ireo ben’ny tanàna miara-miasa, sy ireo depiote miary Dia amin’ny fikambanana, ka isan’izany ireo ben’ny tanàna avy ao Antanifotsy sy Antsirabe II ary ireo depiote avy ao Moramanga, Mananjary, Manakara, Marolambo, Vatomandry ary Antsalova. Nizara roa ny hetsika tao anatin’ny zaikabe voalohan’ny fikambanana “Diaraika” ity. Ny maraina dia ireo ben’ny Tanana sy ireo depiote ary ireo solon-tenan’ny mpikamban’ny Diaraika isam-paritra no nandray anjara tamin’ny ady hevitra lehibe tamina loha-hevitra efatra, nahitana ny fanamboaran-dalana, ny fampianarana sy ny fanatanjahan-tena, ny fahasalamana sy ny sosialim-bahoaka, ary ny foto-drafitrasa sy ny angovo ary ny herinaratra. Niarahana nidinika tamin’ireo mpikambana rehetra kosa izany ny tapany faharoa natao ny tolakandro, ka nandraisana fanapahan-kevitra goavana izay samy mandray ny andraikiny avy ny mpikambana tsirairay ho tombontsoa iraisan’ny daholo be. “Fikambanana natao ho an’ny rehetra tsy hanavahana fiaviana, antoko na fikambanana politika, ary tsy anavahana ara-pinoana ny fikambanana Diaraika”, hoy Dr Rakotomanana Gervais filohan’izany eto Toamasina. “Tsy misy idiran’ny politika ny fikambanana Diaraika, fa miara-miasa sy miary Dia amin’ireo rehetra te-hanasoa ny mpiara-belona aminy amin’ny asa sosialy sy ny sosialim-bahoaka”, hoy kosa ny filoha nasionalin’ny fikambanana Atoa Narson Rafidimanana; koa izany no tsy nisian’ny fanambarana politika nataon’izy ireo nandritra izao zaikabe voalohany nataon’izy ireo tany Toamasina ny sabotsy manontolo ny andro teo io.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT