kolontsaina

Fikambanana C’ArtBon Plum’Art, Varatava


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Nisitraka tan-tsoroka momba ny asa tanana

 

 

 

Tontosa ny atrikasa hanohanana ireo mpanao asa tanana amin’ny fikambanana C'ArtBon, Plum'Art sy Varatava misehatra ao anatin’ny sampam-pamokarana « peinture-photographie-art graphique ». Niara-nisalahy ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Asatanana (DGA) teo amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy Indostria ary ny Asa tanana (MICA) sy ny Ivon-toerana Nasionalin’ny Asa tanana Malagasy (CENAM). Niompana manokana tamin’ny kolontsain’ny fandraharahana, ny fitantanana ny lalam-barotra, ny dingana mifanaraka amin’ny fanondranana ary ny sehatra matihanina ny fifanakalozana nandritra ny atrikasa natao. Nifarana tamin’ny fizarana ny karatry ny mpanao asa tanana miisa 20 ary fizarana ny taratasy fanamarinana ny fandraisana anjara tamin’ny atrikasa ho an’ireo mpanao asa tanana nisitraka izany, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT