kolontsaina

Fikambanana ASTRAMA Hanohitra ny tsy rariny mihatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana


  • Talata 16 Martsa 2021

Misy karazana taranja izay sarotra ho an’ny OMS sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny misahana azy,

 hoy ny avy eo anivon’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eo anivon’ny ASTRAMA raha nivory tetsy amin’ny foibeny etsy Andafiavaratra. Saika miompana amin’ny kolontsaina izy ireny. Nahadinika izany izahay, hoy ny filohan’izy ireo, izay sady filohan’ny fikambanamben’ireo mpitsabo nentim-paharazana rahateo na ANTM, Andriandrainarivo Josephin, ka nandroso izany teo anivon’ny ANTM. Natsangana noho izany ny fikambanana “Ny maha gasy” na Manda aron’ny maha gasy na “League Malagasy pour la sauvegarde de l’identité”. Araka ny fanazavana voaray omaly dia hitan’izy ireo koa fa mivandravandra loatra ny fandikan-dalana misy manao eo amin’ity tontolon’ny fitsaboana nentim-paharazana ity na dia efa mipetrapetraka aza izany lalana izany. Toy ny tsy laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana mahefa anefa, hoy hatrany ny ASTRAMA, ny fampiharana izany lalana izany. Misy vanim-potoana koa anefa ahitana hoe samihafa, arakaraky ny olona, ny fampiharana fepetra mifandraika amin’izany. Tao amin’ny ANTM efa nisy niharan’ny fanakatonana toeram-pitsaboana, figadrana, fampanantsoina any amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, fidinana ifotony dia variana izahay fa ny mpandika lalana toy ny tazanim-potsiny? Nisy maty niharan’ny vono olona ireo mpikamban’ny ANTM, toy izay nitranga tany Morondava. Nisy voasambotry ny zandary tao Fianarantsoa, samy tranga farany teo izany. Ireny rehetra ireny no naha tapa-kevitra anay hanangana sendika sy hanaovana fihetsika sendikaly iombonana amin’ireo sendika rehetra, hoy hatrany ny ASTRAMA, hanoherana ny tsy rariny rehetra mihatra amin’ity tontolo ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT