kolontsaina

Fikajiana ny tontolo iainana “Hanentana fa tsy hanasazy hamboly hazo isika”


  • Talata 30 Novambra 2021

Nandray anjara tamin’ny fivoriamben’ny UNESCO andiany faha 40 I Madagasikara ny herinandro teo, raha ny tatitry ny sekretera jeneralin’ity sampan-draharahan’ny firenena mikambana ity eto amintsika, Manda Ravelojaona, omaly.

 Nahafahana nilaza ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara izany, hoy izy. Teo koa ny niainana ny COVID 19 sy ny nahafahana namerina mpianatra niala an-daharana an-tsekoly indray. Vonona hanampy ahafahana manatratra ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra andiany faha 4 na ODD 4 ny UNESCO. Tonga tany Paris - Frantsa ihany koa ireo delegasionin’ny minisiteran’ny kolontsaina izay notarihin’ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo ary nanamafy ny amin’ny tokony hanoratana ireo vakoka Malagasy tokony ho tafiditra anaty vakoka iraisampirenena. Teo koa ny fifampiraharahany mikasika ny karan-doha na kabeson’ny mpanjaka Toera. Teo koa ny minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra na MEDD, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, izay nametraka fa azo atao ny mametraka ho fototra ny fahafaha-mikajy ny tontolo iainana satria ho an’ny firenena mandala izany dia azo apetraka ho rafitra tafiditra any amin’ny fampianarana ny fianarana ny fikajiana tontolo iainana. Malagasy koa no filohan’ny vaomieran’ny fanatanjahantena eo anivon’ny UNESCO. Ny vohitr’Antananarivo na ilay “colline” kosa no tsara marihana fa neritreretina ho ampidirina anaty vakoky ny UNESCO fa tsy ny rova fotsiny. Misy ny tombana na fijerena mikasika izany ataon’ireo mpiara-miombon’antoka. Nisy ny faritra mena maro nandritry ny fiotsahan’ny tany teny. Manombana ny tokony atao tsy hitaran’ireny isika izao, hoy hatrany ny tenany. Mikasika ny tontolo iainana kosa dia ny hamaly ny fanontaniana hoe ahoana no ahafahana manentana fa tsy manasazy, izany hoe, hanentana ny rehetra hamboly hazo ho fikajiana ny tontolo iainana isika, hoy hatrany ity sekretera jeneraly ity.
J. Mirija
Legende: Ny sekretera jeneralin’ny UNESCO sy ny Minisitry ny tontolo iainana Malagasy nandritry ny fihaonana tao Paris
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT