kolontsaina

Fihavanana Malagasy Hatao vakoka tsy hita maso


  • Alatsinainy 30 Septambra 2019

Tapitra tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana fahatelo farany nataon’ny Komitin’ny Fampihavanam-Pirenena (CFM).

 

 

 Nalamina  ireo antontan-taratasy mahakasika ny famotsoran-keloka sy ny fanoherana ary ireo andraikitry ny CFM hafa. Nisy ihany koa ny fijerena vahaolana ara-tantara izay niteraka lonilony tanatin’ny fiarahamonina izay nifanandrinan’ny tafiky ny Mpanjaka Merina Radama sy ny Betsileo sasantsasany. Maro ny maty ary mandrak’izao dia misy ny toerana tsy azon’ny merina lalovana any ary tsy afaka mifanambady ny merina sy ny Betsileo any amin’io toerana io, araka ny nambaran’ny filohan’ny CFM Maka Alphonse. Hidina ifotony any mihitsy moa ny solontenan’ny CFM amin’ny herinandro ho avy izao handamina ny raharaha. Noresahana tamin’ny tatitra nataon’ny CFM ity ihany koa ny fifindra-monina izay miteraka fahasimban’ny tontolo iainana ary tsy maintsy andraisana andraikitra. Ary ny lehibe indrindra dia ny hafatry ny Papa Ray masina mahakasika ny tokony hifankatiavana sy ny hihavanan’ny samy Malagasy ka hatao ho vakoka tsy hita maso ny fihavanana. Tanjona ny hametrahana ny filaminana sy ny fitoniana hatrany eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny folohan’ny CFM.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT