kolontsaina

Fifehezana ny teny Frantsay Mila fampiharana amin’ny fiainana andavanandro


  • Zoma 25 Novambra 2022

Betsaka ireo mitaraina ho tsy mahafehy sy tsy mahafolaka ny teny Frantsay eto amintsika. Miainga amin’ny ankizy mpianatra izany ka hatramin’ny mpiasa indrindra fa ilay fahaizany mampiasa azy amin’ny fiainana andavanandro.

Tsy tokony ho sarotra anefa ny teny Frantsay raha araka ny fanazavan-dRamanamizaka Tanteliniaina, mpandrindra ara-pedagojika eo anivon’ny Alliance Francaise tamin’ny mpanao gazety omaly. Ilay fanaovana tsianjery ny vocabulaire sy ny grammaire hoy izy no hita tena lesoka nefa tsy izay no lakile. Ankoatra izay hoy izy dia ilay rafi-pampianarana eto amintsika ihany koa no mbola misy olana….Nankalazaina omaly alakamisy 23 novambra ny andro manerantany ho an’ny mpampianatra ny teny Frantsay. Nisy araka izany ny latabatra boribory niarahan’ny Alliance Française notarihin’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana Raharinosy Monique sy ny Organisation Internationale de la Francophonie na ny IOF tetsy amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy. Anisan’ny loha-hevitra novohabohasana nandritra izany ny hoe : mpampianatra ny teny frantsay, mpamorona ny ho avy tsara. Nosy rahateo isika eto Madagasikara, mifandraina amina firenena vahiny maro ka anisan’ny tokony ho folaky ny tsirairay indrindra fa ireo ankizy mpianatra sy tanora ho avin’ny firenena ny teny Frantsay. Tanjona tamin’izao hetsika notanterahina omaly izao araka izany ny hahafahana manatsara ny fahaizana ny teny Frantsay, ny fanatsarana ny rafi-pampianatra misy sy ny fomba fampitana izany.
Pati
Legende : Nandritra ny latabatra boribory notanterahina omaly tetsy amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT