kolontsaina

Fifaninanana teatra amin'ny teny Frantsay Lasan’ny Lisea Jules Ferry ny amboara


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Tontosa soa aman-tsara tao amin'ny "Alliance Française" Andavamamba ny famaranana ny andiany fahafito tamin'ny

fifaninanana nasionaly ho an'ny tantara an-tsehatra na teatra amin'ny teny frantsay. Ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena amin'ny alalan'ny foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fampitaovana an-tsekoly, izay fiaraha-miasa amin'ny tetikasa "Éducation Service de Coopération et d'Action Culturelle (EduSCAC)", an'ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara sy ny fikambanan'ny mpampianatra miteny Frantsay eto Madagasikara no nikarakara izany.Tropy miisa 43 nanerana ny Nosy no nandray anjara tamin'ny fifaninanana, ka enina tamin'izy ireo no niatrika ny famaranana teto Antananarivo; izay nahitana ny lisea Jules Ferry Faravohitra, ny lisea Rakotoarisoa Ambositra, ny lisea Laurent Botokely Toliary, ny lisea Mixte Antsiranana, nylisea Ranoavimanana Norbert, ary ny lisea Ambalakely Lalangina. Ny lisea Jules Ferry Faravohitra no nandrombaka ny amboara tamin'ity taona 2023 ity. Raha tsiahivina kely dia ny asa soratr'i CHARLES BAUDELAIRE mitondra ny lohanteny "le gâteau" no nasehon'izy ireo an-tsehatra. Fialan-tsasatra any Nosy- be moa no valisoa nomena azy ireo. Nisitraka atrikasa fiofanana "slam/poésie",mandritry ny dimy andro ihany koa izy ireo no sady nomena boky sy rakibolana ihany koa. Nampian’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle SAHONDRARIMALALA fitsidihana ny Rovan'i Madagasikara ihany koa izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny fahaizan’ireo mpianatra nilalao ilay tantara an-tsehatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT