kolontsaina

Fifaninanana robotika iraisampirenena Nahazo fanampiana avy amin’ny filoha ny ekipa Malagasy


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Nihaona tamin’ny Talen'ny Kabinetra eo anivon'ny Fiadidian’ ny Repoblika Rtoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina omaly ireo tanora hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny Fifaninana Iraisam-pirenena momba ny Robotika,

na First Glogal Challenge izay hatao any Genève, ny 13 ka hatramin’ny 16 oktobra ho avy izao. Nampita ny tso-drano ho azy 5 mianadahy sy ny mpanazatra azy ireo ny Filoham-pirenena ary nanolotra fanampiana ho an’ny ekipa ihany koa. Mahafinaritra sy mahavelom-bolo tokoa ny mahita ireto zaza Malagasy, tia teknolojia sy Tontolo iainana, tia matematika sy mikirakira solosaina, tia karokaroka sy kajikajy…Handeha hifaninana amin’ny tanora avy amina Firenena 150, anaty sokajy 15 - 18 taona, momba ny Robotika izy ireo araka izany. Miandahy miambavy rahateo ny delegasionantsika Malagasy ka ny telo amin’ireo dia tovovavy kely vao misandratra avokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy fito mianadahy notronin-dRtoa Baomiavotse Vahinala
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT