kolontsaina

Fifaninanana mandraharaha ara-kolontsaina 20 tapitrisa ariary no loka ho an’ny voalohany


  • Talata 06 Aogositra 2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano ny fisokafan’ny fisoratana anarana nanomboka omaly ho an’ireo izay te handray anjara amin’ny fifaninanana tetikasa

 

 

fandraharahana ara-kolontsaina karakarain’ny minisiteran’ny kolontsaina mitondra ny lohateny hoe Tosik’art. Araka ny fanazavana dia misokatra ho an’ireo rehetra ao anatiny na mbola te hiditra amin’ny atao hoe indostria sy orinasa ara-kolontsaina ka feno 21 ka hatramin’ny 45 taona ny fifaninanana ary omaly alatsinainy ka hatramin’ny 15 septambra no fisoratana anarana izay alaina ao amin’ny tranokalam-pifandraisan’ny minisitera na www.mcc.gov. Ny 16 ka hatramin’ny 23 septambra kosa no hifantenana ireo tetikasa 20 tsara indrindra mialoha ny hanomezana fiofanana azy ireo mandritry ny 2 herinandro. Ny 12 oktobra moa no famaranana ka ireo tetikasa miisa 5 no hofantenana farany amin’izany ary mitentina 20 tapitrisa ariary ny lokan’izay tetikasa tsara indrindra. Ny tontolon’ny mozika, dihy, hosodoko, sary, gazety sy haino aman-jery sy izay rehetra mety hiditra ao anatin’izay hoe kolontsaina izay moa, raha ny fanazavana, dia azo andraisana anjara avokoa ary anton’ny fifaninanana ny fahitana fa tsy ampy tosika ara-pitaovana sy ara-bola ireo mpandraharaha ara-kolontsaina Malagasy, hany ka sarotra ny hanenjehany ireo fenitra, farafaharatsiny, mba hahafahana miaina na dia tsy mbola avo lenta toy ireo sasany any an-dafy aza.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT