Ny sabotsy lasa teo no niainga teto an-tanindrazana hihazo an’i Mexico ireo tanora Malagasy dimy mirahalahy ahitana an’i Milà, Toky, Tojo, Kevin ary Lalaina kapitenin’ny ekipa hiatrika ilay fifaninanana manamboatra Robot.
Tafiditra ao anatin’ny fiatrehana ilay First Global Challenge andiany faharoa hotanterahina any an-toerana izany ka ny tanjon’izy dimy mirahalahy ireto dia ny hanandratra avo ny anaram-boninahitr’i Madagasikara amin’ny alalan’ny amboara izay hobatainy entiny mody. Raha tsiahivina dia ny 15 sy ny 16 aogositra ho avy izao no hotanterahina any Mexico ity fifaninanana ity. Firenena 175 no handray anjara any ahitana tanora efa manampahaizana amin’ny fikirakirana teknolojia avo lenta avokoa. Ny orinasam-pifandraisana Airtel no niantoka ny ampahany amin’ny saran-dalan’izy dimy mirahalahy ireto mba hahafahana manandratra avo ny voninahitry ny firenena Malagasy, hoy ny tale jeneraliny Atoa Maixent Bekangba. Tombony lehibe ho an’ny tanora ihany koa, hoy izy ny fandraisany anjara amina zavatra avo lenta tahaka izao hahafahany mirona hatrany mankany amin’ny asa famoronana hoenti-miady amin’ny tsy fananan’asa. Marihina moa fa misy hatrany ny fifaninanana manamboatra robot tahaka izao isan-taona. Ekipa matanjaka avy amin’ny vazantany efatra no mandray anjara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.