kolontsaina

Fifaninanana hatsaran-tarehy tany Toamasina Lasan’i Laura sy Jasmin ny vola 200.000 Ar avy


  • Talata 31 Jolay 2018

Nitotorebika i Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Sambany mantsy no notontosaina tany an-toerana ilay Star tour hetsika ara-kolontsaina nisantarana ny fotoam-pialantsasatra lehibe amin’ity taona ity.

 

Ny sabotsy 28 sy ny alahady 29 jolay lasa teo no nanatontosana izany tany an-toerana ka teo amoron-dranomasina manoloana ny Auximad avokoa no nanatanterahana ny lanonana rehetra. Mpifankatia, fianakaviana, mpinamana… no tonga nanatrika ny hetsika izay nosantarina tamin’ny alalan’ny tandaha-piara sy môtô nitety tanàna. Nitohy tamin’ny karaoke sy kilalao maro samihafa ny lanonana, anisan’ireny ilay fifaninanana hatsaran-tarehy ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy izay nisy mpandray anjara marobe tokoa. I Laura sy Jasmin no nibata ny amboara izay nahazo vola 200.000 Ar  avy. Anisan’ny nanao ny fanentanana nandritra ny hetsika i Andry Barhone sy ry  Fou hehy. Nanome aina ny fampisehoana kosa i Welwi Waves, Joudas, Big MJ. Nofaranan’ny orinasa Star tamin’ny fanadiovana ny tanàna ny hetsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT