kolontsaina

Fifaninanana adin’akoho eto Madagasikara Mizotra any amin’ny fikarakarana lalao iraisam-pirenena


  • Zoma 15 Mey 2020

Isan-taona dia misy hatrany ny fikarakarana ny atao hoe BCM na “Bataille de Coq à Madagascar” nanomboka ny taona 2009, raha ny fanazavan’ny

 

 

 mpikambana ao anatin’ity fikarakarana ity, Fabrice Randrianarivelo. Nisy moa ny sampona vokatry ny fipariahan’ny Coronavirus ka voatery nampihemotra ny fifaninanana izay saika notontosaina tao amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina. Mizotra any amin’ny fikarakarana lalao iraisam-pirenena mihitsy izy ity, raha ny fanazavany, satria raha ry zareo reonioney no tena saika tonga hatrany tao anatin’izay fikarakaran miisa 10 mahery izay dia efa nanomboka tonga koa ry zareo Thailandais , indrindra, tao anatin’ny 2 taona farany. Misy karazana ekipa maromaro mihitsy no tonga mandray anjara matetika. Efa nisy ny fieritreretana fananganana federasionina ho an’ny mpampiady akoho malagasy manokana, hoy izy, ary mbola ao anatin’izay ezaka izay izy ireo ankehitriny satria fomba isan’ny nahafantarana antsika koa ny adin’akoho no sady kolontsaina.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT