kolontsaina

Fifaninanan-kira karakarain’ny AFT Amin’ny 02 septambra ny fifanintsanana voalohany


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Hotontosaina ny 02 septambra ho avy izao ny fifanintsanana voalohany amin’ilay fifaninanan-kira amin’ny fiteny Frantsay, karakarain’ny AFT etsy Andavamamba.

  16 taona no zandriny indrindra afaka mandray anjara amin’izany. Araka ny fanazavana azo, afaka mindrana ireo karazan-kira amin’ny fiteny Frantsay izay efa fantatra ireo mpifaninana raha azo hatao ihany koa ny mamorona hiran’ny tena manokana mihitsy. Ny 26 aogositra ho avy izao no hifarana ny fisoratana anarana, raha ny 17 septambra kosa no hanaovana ny fifanintsanana farany, ho an’ireo nivoaka ho mpandresy isam-paritra. Tsy mijanona ho an’ireo mpikambana ao amin’ny  Alliance Française eto Antananarivo ihany moa  ny hetsika, fa misandrahaka manerana ny Nosy mihitsy. Tanjona ny hahafahana mampiala voly ireo ankizy sy tanora tsy afaka mandeha manao vakansy, amin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao. Eo ihany koa ny mba hahafahana mitrandraka talenta vaovao. Hisy ny loka hatolotra ho an’izay mpifaninana hibata ny amboara

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT