kolontsaina

Fifaninana maneran-tanin’ny robotika Ny Malagasy no nahazo fankasitrahana betsaka indrindra


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Nivoaka ny sabotsy 31 oktobra lasa teo ny valin’ny lalao olympika eo amin’ny tontolon’ny robotika natokana ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona. Laharana faha-5 tamin’ny firenena 190 nifaninana i Madagasikara

 

 

. Nisolo tena ny Malagasy tamin’izany i Tahiry Manantsiory Randrianjatovo, Radolaza Léondaris Rafaliniaina, Cynthia Ambinintsoa, Zo-Hary Ralamboharisoa, ary Tiantsoa Razafindrakoto. I Adrienne Irma Rabemanantsoa sy Mendrika Nomenanjanahary Rarananiriana kosa no “mentor” na mpanazatra nanome tan-tsoroko ho an’ny ekipantsika. I Madagasikara no nahazo ny marim-pankasitrahana betsaka indrindra tamin’ireo firenena rehetra nanao ny fifaninana. Faha-3 tamin'ny International Journey na Sofia Kovalevskaya Award, azon'ireo ekipa telo mendrika indrindra nahavita an-tsakany sy an-davany ny fifaninanana, ka nahazoana ny medaly alimo. Azontsika ihany koa ny “Outstanding Mentor Award”, tamin’ny alalan'ireo mentors-n'ny ekipantsika, dia i Adrienne sy i Mendrika. Anatin'ny ekipa 52 nahazo mari-pankasitrahana manokana ny ekipa nasionaly malagasy. Faha-5 tamin'ny isa niangona nandritry ny 3 volana nanaovana ny fifaninana isika, izay hoe io no filaharana ankampobeny, izay tsy mampitsanga-menatra an’I Madagasikara,, ary saika any aorinantsika avokoa ireo firenen-dehibe matanjaka sy fanta-daza amin’ny tontolon’ny teknolojia. Nisy ny lanonana natao tao amin’ny tranoben’ny ORTM Anosy nahafahana nanaraka mivantana ny lanonam-pamaranana ny « First Global Challenge » ny sabotsy teo. toy izany ihany koa izao lanonam-pamaranana iraisam-pirenena izao. « Mirehareha izahay manana anareo. Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina rehefa manohana dia manohana hatramin’ny farany », hoy ny Minisitra Lalatiana Ratondrazafy, izay teny an-toerana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT