Fifaninana goavana «Our generation »

Norombahin’i Filamatra Matokia ny amboara


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

misongadina indray ny Malagasy ! Norombahin’ilay Tovovavikely Filamatra Matokia ny

laharana voalohany teo amin’ny fifaninanana tamin’ny tontolon’ny hira « our generation » notanterahana tany Kazan Russie, nifaninan’ireo ankizy 9 hatramin’ny 16 taona. Ny hira mitondra ny lohateny hoe : « Iray » no nentiny an-tsehatra, ka izy no nandrombaka ny amboara tamin’ny alalan’ny fisafidianana nataon’ny daholobe na « vote public » raha toa ka ilay teratany Brezilianina Agusto Carvalho kosa no nandresy tamin’ny safidin’ny mpitsara. Nivoaka nandresy noho ny safidin’ny besinimaro noho izany ny Talenta Malagasy, izay maneho fa nisy ny fiaraha-nientana tamin’ny fanohanana azy. Tsara ny manamarika fa zanaky ny mpanakanto Stan sy Nanah fantatra tamin’ny tontolon’ny fifaninanan-kira Pazappa i Filamatra Matokia, izany hoe : efa ra mikoriana ao anatiny ny tontolon’ny hira sy ny kanto, ary tena nifoha sahady ny fahaiza-manaony sy talentany. Manamafy ihany koa izao fa manana ny maha izy azy ny Malagasy, ary misongadina amin’ny fifaninana lehibe tahaka itony satria efa maro ireo mpanakanto Malagasy nibata amboara lehibe kaontinantaly sy iraisam-pirenena, raha tsy hilaza afatsy ry Shyn, Deenyz, D-Lain, Marghe,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT