Fifaninan-kira iraisampirenena "Our Generation"

Nanainga ny sabotsy teo i Filamatra Matokia


  • Alatsinainy 11 Novambra 2024

Hitondra avo ny kanto malagasy any ivelany i Filamatra Matokia, hoy ny minisitry ny kolontsaina sy serasera,

Mara Donna, ny faran’ny herinandro teo. Mandray anjara amin'ny dingana famaranana amin'ny fifaninan-kira "Our Generation" hatao any Kazan, Rosia, izy, hoy ny fanazavana. Tovovavy kely 11taona, mipetraka any Toamasina ary nanao fifaninan-kira tamin'ny tambazotran-tserasera. Firenena miisa 30 no nandray anjara ary tafiditra amin'ireo firenena 15 hanao dingana famaranana any Rosia i Madagasikara. Hiainga anio (TTF: ny sabotsy teo) izy. Nanome tsodrano azy aho. Amin'ny teny malagasy ranoray no entiny miatrika izany fifaninanana iraisam-pirenena izany. Manan-karena talenta i Madagasikara. Miavaka amin'ny Soatoavina ao anatin'ny fifanohanana ny malagasy ka miandrandra antsika hanohana azy amin'ny "Voting" na latsa-bato amin’ny alalan’ny finday. Alefa Filamatra Matokia! Ny kolontsaina malagasy dia mampiray ao anatin'ny fahasamihafana, hoy hatrany ny hafatr’ity minisitra ity. Nanainga ny sabotsy teo, araka izany, i Filamatra Matokia, solontena malagasy amin’ity fifaninanana ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT