kolontsaina

Fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika Nijoboka am-ponja ny mpanakanto Jess Falvi One


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Nidoboka am- ponja vonjimaika ny 30 desambra 2022 lasa teo ny mpanakanto Fantatry ny rehetra amin’ny anaran-tsehatra hoe Jess Falvione, mpivazo an’ilay hira hoe « Aleo manala e »,

raha ny angom-baovao voaray. Olona miisa 7 no nosamborina teny Talatamaty ny 28 desambra lasa teo noho ny resaka rongony mahery vaika. nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora noho ny fidorohana io zavadomelina mahery vaika antsoina hoe “métamphétamine” io kosa ny 4 tamin’izy ireo taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana ny 30 desambra teo. “Métamphétamine” milanja 6 grama sy fitaovana maro samihafa fandraisan’izy ireo izany moa no tra-tehaka niaraka tamin’ireto mpidoroka ireto tamin’io 28 desambra lasa teo io. Isan’ireo nijoboka niaraka tamin’izy 4 ilay mpanakanto malagasy fantatry ny maro voalaza teo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Raha ny fanadihadiana natao moa dia rongony mahery vaika fifoaka na fitroakan-drizareo any amin’iny faritr’i Azia toa an’i Dubai sy Filipinina iny ity karazana rongony ity. Akora marobe izay tena manimba fahasalamana tokoa no hita ao anatiny ary akora fototra ao anatiny ny “éphédrine" sy “pseudo éphédrine”. Ankoatran’izay anefa dia mety hifangaro ao anatiny koa ny «acide muriatique», «éther», «acide sulfurique», famonoana bibikely, ioda sy ny maro hafa tsy voatanisa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT