FIDIRANA AMIN’I MOZEA MANERANA NY NOSY

Maimaimpoana ho an’ny mpianatra rahampitso Sabotsy


  • Zoma 17 Mey 2024

Maimaimpoana ho an’ny mpianatra rehetra ny fidirana amin’ny Mozea manerana ny Nosy rahampitso Sabotsy 18 May.

Hankalazaina rahampitso tokoa mantsy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Ho antsika eto an-drenivohitra manokana dia anisan’ny vato misakana tsy hahafahan’ny mpianatra mitsidika ireo karazana Mozea ny halafosan’ny saram-pidirana toy ny eny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Tsy maintsy manana 2.000 Ar mantsy ny mpianatra iray vao afaka mahita izany, vola izay efa hahazoana vary 2 kapoaka mahavita indray mandrotsaka ho an’ny ankohonana iray misy olona 4. 5.000 Ar kosa ny sara-pidirana ho an’ny olon-dehibe iray. Azo hararaotina tsara araka izany io andron’ny rahampitso Sabotsy io mba hitondrana ny ankizy mpianatra. Maro mantsy ny tsara ho fantatra ao amin’ity lapa ity toy ny lapa Besakana, ny Kianja Masoandro, ny fasan'ny lahy sy ny vavy, ny fiangonana, ny lapa Masoandro ary ny kianja Andrianjaka. Tsy ho an’ny Rovan’i Madagasikara ihany fa ho maimaim-poana ihany koa ny fitsidihana ny Rovan’Ambohimanga mbola ho an’ny mpianatra ihany…"Mozea ho an'ny fanabeazana sy ny fikarohana", no lohahevitra nosafidiana ho an'ity taona 2024 ity. Tanjona araka izany ny hanampiana ireo haren-tsaina hananan’ny mpianatra manoloana ny kolontsaina sy ny soa toavina Malagasy.
Pati
Legende : Ny Rovan’i Madagasikara sy ireo tsara ho fantatra ao anatiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT