kolontsaina

Fiarovana ny harena voajanahary Nankasitrahan’ny Amerikana ny Dr Harisoa R


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Notoloran’ny ambasady Amerikana ny fankasitrahana “Champions of Madagascar

 

 

 

Mpiaradia Award” ny Dr. Harisoa Ravaomanalina omaly noho ny fanoloran-tenany amin’ny fiarovana ny harena voajanaharin’i Madagasikara. “Tena mahafaly anay tokoa ny miara-miasa aminao, fa toy ny “Mpirahalahy mianala isika”, amin’ny fiarovana ny harena voajanaharin’i Madagasikara ho an’ny taranaka ho avy.” hoy ny Ambasadaoro Pelletier nandritra ny lanonana tsotsotra natao. Efa hatramin’ny taona 2018, i Dr. Harisoa no niketrika ny fananganana ny trano fanovozan-kevitra ho an’ny hazo sarobidy, voalohany indrindra eto Madagasikara. Izao ezaka vitany izao dia hanampy ny manam-pahefana Malagasy amin’ny ady atao amin’ny fanondranana an-tsokosoko hazo sarobidy, sy hahafantaran’izy ireo ny karazan-kazo misy, hoy ny eo anivon’ny Masoivoho Amerikana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT