kolontsaina

Fiarovana ny alan’Ankarafantsika Hampifandrindrana amin’ny fomban-drazana ny stratejia


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Nametraka stratejia vaovao entina hiarovana ny alan’Ankarafantsika sy ny manodidina azy ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy miaraka amin’ny Madagascar National Park. Izy io, raha ny fanazavana,

 

 

 dia hampifandrindrana amin’ny fomban-drazana misy ao an-toerana mba hahafahan’ireo mponina ho marisika amin’ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ity ala ity. Nisy noho izany ny fifanarahana nifanaovan’ireo vondron’olona ao an-toerana sy ireto tomponandraiki-panjakana sy rafitra lehibe ireto. Teo ny mpanjakan’i Boeny, ny solontenan’ireo vondrona misy ao Ankarafantsika, ny solontenan’ireo mponina ifotony, ny ben’ny tananan’ireo kaominina manodidina, ny oniversiten’i Mahajanga, ny lehiben’ny distrika, ny governoran’ny faritr’i Boeny, ny depiote voafidy tao an-toerana, ny minisitra tomponandraikitra ihany koa. Isan’ny tanjona fototra ny hampihena haingana indrindra ny doro ala sy tanety ao an-toerana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT