Ny fanehoan-kevitry ny Papa François momba ny fiarahan’ireo mitovy fananahana , hoy ny mpahaiolona izay misahana indrindra ny ara-kolontsaina na “anthropologie culturelle”, Eddy Jean Philippe,
dia efa fanehoana ny fanekena ny zava-drehetra. Saika ny firenena matanjaka dia efa mihazakazaka ao anatin’izay zavatra izay. Ny fahitako azy dia toy ny mateti-pitranga hoe mandeha tsikelikely io, hoy izy. Mandeha aloha izao ny resaka sivily, ny fiarahana, fananana fianakaviana, tsy fanilihana fa mety ho tonga any am-piangonana ihany io. Isika eto Madagasikara koa firenena mihazakazaka amin’ny fisaviana ny avy any ivelany ihany. Manahy aho, hoy izy, fa tsy ho ela io dia hipaka aty amintsika. Ny fanabeazana ara-bakoka sy kolontsaina na “education patrimoiniale et culturelle” no ilaina ahafahan’ny tanora iray manakatra ny mety sy tsy anatina tranga toy itony, hoy izy. Mety azo sorohana ihany ny zavatra eken’izao tontolo izao rehefa mafy kolontsaina ny tanora sy ny vahoaka ao anatin’ny firenena iray. Tsy ao anatin’ny maha Malagasy ny fanambadian’ny mitovy fananahana ka izay no ilana ilay fanabeazana voalaza teo, hoy hatrany ny tenany. Mila ampianarina ny fototry ny kolontsaina Malagasy izay rava sy isany nahatonga ny firenena ankehitriny ho toy izao ary mazava ho azy fa mila ampianarina ao anatin’izany koa ny fiantraikany fandraisana be fahatany ny kolontsaina vahiny, hoy ity mpandinika ity.
J. Mirija
Legende: Eddy Jean Philippe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.