Fiarahamonina Malagasy

Tena marary manaraka ny toekarena sy ny politika


  • Zoma 21 Febroary 2025

Tsy ny fiainana politika sy ny toekarena fotsiny no marary eto amin’ny Firenena,

fa ny fiarahamonina Malagasy mihitsy na saina, na vatana, na fanahy,… Toy ny amin’ny politika na noho ny avy amin’ny politika ihany, lasa fiarahamonina samy maka ho azy, tsy mifampitsinjo, tsy mifampihaino mifampisintona midina, mifamingana, mifamotika… Anisan'ny antony mahatonga izany ny tsy fahaizana mitantana ara-politika miainga avy any ambony, izay mitarika ho amin'ny fitotongan'ny firenena amin'ny lafiny maro. Miharihary ny fahabangana amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanapahan-kevitra tsy mahomby, ka mampitombo ny fahantrana sy ny tsy fitoviana eo amin'ny fiarahamonina. Mizotra makany amin’ny fahanginana sy ny fiononana amin'ny fiainana andavanandro ny vahoaka, miraviravy tanana amin'ny raharaham-pirenena izay hita taratra amin’ny tsy fahampian'ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana sy ny ady ho amin'ny fanovana, mihonona amin’ny fahantrana sy fahasahirana,... Miha mikoroso fahana ny fiarahamonina, mihalalina ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny entina, ny mahantra sy ny manan-karena, miha foana na tsy misy intsony ny fari-piainana antonony na « classe moyenne », fa anjakan’olom-bitsy ny harem-pirenena. Ny tsy fandriampahalemana mihamafy hatrany amin'ny lafiny rehetra. Ny asa tsy misy, kanefa betsaka ihany koa ny malain-kisahirana ka mirongatra ny tsy fandriampahalemana, manamarika ny fiarahamonina ny filokana saika isaky ny elakelan-trano,… Ny asan-dahalo, ny kolikoly, ny fitiavantena, vono olona,… no zary mikiky sy mamotika ny firaisankina sy ny fiainam-bahoaka amin'ny ankapobeny, hany ka hatrany amin’ny soatoavina Malagasy dia ny fitandroana ny hasin’ny aina aza efa tsy hita taratra intsony. Miha mitotongana sy hatao anjorom-bala ny fampianarana izay sehatra tokony hisian’ny fampitovian-tantana ny Malagasy. Mba hialana amin'izao fahavoazana izao, tena ilaina ny famohazana ny sain’ny Malagasy amin'ny alalan'ny fanabeazana, ny famohazana ny fahatsiarovan-tena maha olom-pirenena, ary ny fanarenana ny rafitra ara-politika sy ara-tsosialy. Tsy maintsy mijoro sy mandray andraikitra ny rehetra raha tiana ho velona sitrana indray ny Firenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT