kolontsaina

Fiarahamonina Malagasy Mitady ho very hasiny ny Raiamandreny…


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Ny tena manahirana sy mampahonena eto Madagasikara dia mitady tsy hanana hasiny sy hajany intsony ireo Raiamandreny. Tafiditra ao ny Raiamandreny am-panahy,

 kanefa dia tena maro no milaza fa kristianina rehefa mandeha ny propagandy, saika mpivavaka avokoa ny ankamaroany. Adihevitra goavana ankehitriny ny lalàna momba ny fanalan-jaza ITG (Interruption Thérapeutique de Grossesse). Efa samy naneho ny tsy fanekena izany ireo Raiamandreny “Autorité morale”, ny fiangonana Kristianina sy ny avy amin’ny finoana silamo,… Misy amin’ny mpanao politika kosa manatsantso hoe: “tsy misy idiran'ny Fivavahana fa tompon'andraikitra amin’izay ataony amin’ny vatany ny vehivavy. Entina amin’ny resaka fisarahan’ny raharaham-panjakana sy ny fivavahana na « Laycité de l’Etat », tena misy mafy sofina ary tsy mihaino intsony. Raha tena kristianina anefa ianao dia tokony mahalala tsara fa anisan ny didin'Andriamanitra ny hoe manaja ny Ray aman-dreninao ka vao io no tsy misy dia mikorontana ny fiarahamonina, tsy misy fitsipika na « discipline » tafapetraa intsony hatrany an-tsekoly, toeram-piasana, fiangonana,.... Gaboraraka rehefa tsy manaiky ny « autorite morale » intsony ny olona, lasa takon’ny fahefana politika hoe: izahay izao no mitondra,… Mitsoaka tsimoramora ny rivotry ny kolontsaina tandrefana, ka ankoatra ny efa tafiditra, dia alefa tsikelikely any amin’ny fanalalahana bontolo isika. Efa natao kitsapatsapa teto ny fanalalahana ny fiarahan’ny mitovy fananahana, io fa lasa adihevitra be io ny fanalalahana ny fanalan-jaza. Any amin’ny voambolana no toa lalaovina hoe : « Volontaire » na an-tsitrapo ilay IVG (Interruption Volontaire de la Grossesse), ary ara-pitsaboana na « Thérapeutique » ilay ITG (Interruption Thérapeutique de la Grossesse), saingy fanalan-jaza daholo. Ny zava-doza ara-piarahamonina eto amintsika momba ny fanalan-jaza efa mpiseho matetika eny amin’ny fiaraha-monina, mainka fa hiditra amin’ny lalàna fanalalahana izany ? Mora ny manao hosoka sy mitsikombakomba eto amintsika toy ny hoe : mahafantatra mpitsabo sy manao kolikoly dia mahazo « cértificat médical » ary mampanahy ny hahatongavan’izany any amin’ity resaka fanalan-jaza ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT