Fiarahamonina malagasy

«Lasa maika ny hiady sy hifandramatra…»


  • Talata 12 Martsa 2024

Misy an’iny hira tamin’ny 1947 iny izao izay efa toy ny karazana hira faneva,

indraindray aza toy ny hiram-pirenena mihitsy, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny CFM na filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Rehefa misy hetsika, hoy izy, dia saika atao foana iny ho mariky ny firaisankina na tahaka izany. Efa lasa vakoka sy anaty ran’ny malagasy mihitsy ny hoe mihira sy miara-mihira izany hira izany nefa moa izany ilay izy nisy nanova amin’ny endriny hafa iny dia lasa nampiady hevitra. Isika izany izao lasa maika ny hiady sy hifandramatra any anaty tambazotra any dia maherihery setra any anaty fiarahamonina malagasy any. Rehefa mba misy zavatra iombonan’ny rehetra izany dia tokony mba hiezahana ny hanekena sy hanajana an’iny fa tsy ohatran’ilay tao anaty rova koa izao mbola nokitikitihina ihany dia niteraka fanafitohinana ny hafa. Aoka mba hajaina re ny hasin’ny zavatra iray rehefa iaraha-mahalala ilay izy hoe manan-kasina. Mila fifampiresahana izany rehetra izany fa tsy atao hiteraka resabe eny amin’ny tambazotran-tserasera eny fotsiny dia avy eo tsy hita izay fanabeazana entiny, hoy hatrany ity mpandinika fiarahamonina ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT