Fiaraha-miasa ara-kolontsaina

Hanamafy ny fifamatorana i Madagasikara sy Lafrantsa


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Nihaonana tamin-dRamatoa Rachida Dati, Minisitry ny Kolontsaina Frantsay ny Delegasionina Malagasy

tarihin’ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina Malagasy Rtoa Volamiranty Donna. Natao amin'ny trano foiben'ny Minisiteran'ny Kolontsaina Frantsay omaly 03 oktobra. « Fihaonana izay nahitam-bokatra tsara nahafahana nanao sonia ny taratasy fifanekem-piaraha-miasa amin'ny tranombakoka sy ny vakoka eo amin'ny firenena roa tonta. », hoy ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera Malagasy. Nandritra izany ihany koa no nahafahana nanokatra ny fivoriamben'ny voamiera iombonana Frantsay-Malagasy ho an'ny fampodiana ny taolambalon'ny Mpanjaka Toera sy ireo mpiady maheriny, raha ny tatitra nataon’io Minisitra io. Hamafisiko ny fisaorana sy fankasitrahana amin-dRamatoa Minisitry ny Kolontsaina Frantsay tamin'ny fandraisana sy ny dinika natao. "Kolontsaina, vatofototry ny fampandrosoana", hoy hatrany Rtoa Volamiranty Donna.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT