kolontsaina

FIANTA Tsy milamina ny governemanta tsy misy foko Antemoro


  • Talata 22 Oktobra 2019

Mety hisy fanovana governemanta ato ho ato, hoy Randrianasoavina Christian, filohan’ny FIANTA na ny FIkambanan’ny Antemoro eto

 

 

 

Antananarivo. Hatramin’izay mantsy raha araka ny fanazavany hatrany dia tsy misy governemanta milamina raha vao tsy misy foko Antemoro ao anatiny. Efa hatramin’ny andron’Andraintsivongo izay razamben’izy ireo rahateo, hoy hatrany ity filohan’ny FIANTA ity no mpandamina ny  disadisa izy ireo koa manome toky ireo tompon’andraiki-panjakana fa manana olona mahafehy tsara izany. Nandritra ilay hetsika antsoina hoe : “Sakaroho lebibe, Saotra lehibe” izay notanterahin’izy ireo teny Ivato ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany. Hetsika izay nitsofan-drano sy nangatahim-pitahiana tamin’ny razana ho an’ireo zanak’Antemoro miasa sy mila ravinahitra eto Antananarivo mba hahomby amin’ny zavatra hataony sy ho salama izy ireo. Tena nety tamin’izy ireo ny andro omaly datin’ny 20 oktobra  raha ny fantatra. Malaza amin’ny fanandroana ihany koa mantsy ny foko Antemoro sady mbola manaja sy mankato ny soatoavina Malagasy.  Nofaranana tamin’ny sakafo lehibe sy ny fiarahana tamina mpanakanto malaza ny lanonana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT