kolontsaina

Fianakaviamben’ny ankolafin’ny Andriana Miantso firaisam-po amin’ny vahoaka


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Namoaka fehin-kevitra mikasika ny fanasan’izy ireo ny Andriana rehetra manerana

 

 


an’i Madagasikara natao ny 27 febroary teo tetsy Ambohipotsy ny Antenimieran’ny Andriana Merina.
Fiaraha-midinika ny famerenana ny hasim-piandrianan’ny firenena Malagasy moa no anton’izany, raha ny fanazavana. Notsarovana ny andro nandefasana an-tsesitany ny mpanjakan’i Madagasikara, Ranavalona III. Tapaka tarangana teo ny fiandrianana sy ny hasim-pirenena Malagasy. Naverina natohy tamin’iny sabotsy 27 martsa iny izany raha nihaona ny fianakaviamben’ny ankolafin’ny andriana rehetra. Notsiahivina ny sombin-tantaran’I Madagasikara 4000 taona teo ho eo ka nahazoana nampatsiahy indray ny maha fototra iray ireo taranaky ny andriana nanjaka rehetra teto Madagasikara. Nodinihina sy nofakafakaina ireo torohasina miisa 5 fototry ny maha andriana ifampitaizany amin’ny Malagasy dia ny marina, tsara, fihantahantana, fifanakalozana ary fifanajana. Niaraha-nanaiky fa ny maha andriana ankehitriny dia mbola tokony ho tandroina mandrakariva satria midika fahendrena sy fihasinana. Mitondra ny fahazavana. Mandala ny firaisankinan’ny andriana sy ny Malagasy mba hifankatia, hifanampy, hifampitsinjo, sady mifanome hasina hatrany. Tsy misy ny ambony na ambany. Ny maha andriana dia mitaky ny fanompoana tanindrazana sy firenena ka ataontsika hanana dikany marina ka mafonja ny atao hoe fiandrianam-pirenena sy ny hasina isalorany. Mifaka amin’ny fifanajana ny fomba sy tanin’ny razana. Ho firenena lehibe sy fanjakana matanjaka hahazoana manamaintimolaly ny tany no hafatra sy tsodrano napetrak’ireo razambe rehetra. Ny zotra hahatongavana amin’izany dia ny firaisam-pon’ny andriana sy ny vahoaka. Araka ny fanirian’ny rehetra dia hotohizana hatrany ny fifanakalozana sy ny fihavanana nosantarina iny 27 febroary iny ka apetraka amin’ny alalana lamin’asa mitohy, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT