kolontsaina

Fialan-tsasatra ho an’ny mpianatra Mila manomana 4 hetsy Ar raha kely


  • Talata 16 Aogositra 2022

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy lehibe isika eto Madagasikara amin’izao. Tsy vitsy araka izany ireo mitondra

kely ny menaky ny ainy sy ny fianakaviany mivoaka ny renivohitra mba hialana amin’ny rarintsaina sy ny rotoroto mahazatra. Tsy mora anefa ny fanatanterahana izany. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia mila manana hatrany amin’ny 4 hetsy Ar ny olona 3 mianaka vao afaka mandeha amin’izao. Tsy lasa lavitra anefa izany fa ao Antsirabe ihany. Raha tontaliana 10.000 Ar isan’olona mantsy ny saran-dalana dia mahatratra 60.000 Ar izany mandroso sy miverina. Mbola hafa ihany koa ny sakafo eny an-dalana mandroso sy miverina ankoatra ny hofan’ny trano hipetrahana. Raha kely mantsy dia mila manomana 30.000 Ar isan’andro amin’izany hofantrano izany ny fianakaviana iray izay marihina fa amin’ireo antonony ihany koa fa tsy tena tonga lafatra. Manodidina ny 50.000 Ar na 60.000 Ar isan’andro any ho any ny hofantrano amin’ireo karazany mba tsaratsara sy misy fandriana roa mety ho an’olona 3 mianaka. Eo amin’ny 4.000 Ar indray ny vary iray lovia antonony sy sahaza ho an’olona iray amin’ny atoandro amin’ireo karazan-tsakafo mba tsaratsara. Raha fehezina dia tena vola ny mandeha vakansy amin’izao. Vola izay tsy kely ihany koa raha mba te-hijanona 4 na 6 andro amina toerana iray.
Pati
Legende : Ny saran-dalana no tena lafo ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT