Fiainam-pirenena miha potika

«Tsy afaka mialangalana ny Kristianina»


  • Zoma 14 Febroary 2025

Nisy ny fanambaràna iombonan’ny mpitarika Kristianina izay tontosa tetsy

amin’ny foiben’ny Fikambanana mampiely baiboly malagasy tetsy Antananarenina omaly. Tena ao am-pon’Andriamanitra tokoa i Madagasikara, hoy izy ireo. Tsy foana tsy akory ny fikelezantsika aina ho an’ny Tompo. Isaorana an’Andriamanitra ny ezaka vita, ny hery nananana sy ny vokatra hita tamin’ny asan’ny fiangonana, fikambanana, ireo hetsika sy vondrona samihafa, ny mpitarika sy olompirenena Kristianina rehetra nandritra izay taon amaro lasa izay. Tena sarotra ho an’ny malagasy ny taona 2024. Teo ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, ny fahatapahan’ny rano sy jiro matetika, ny fahapotehan’ny ala, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny adilahy politika, ny tsy fahamarinana, ny fampiasana ny vola handemena ny vahoaka, ny fampielezankevitra tsy manabe fa manabado ireo mpiray tanindrazana, ny kolikoly izay saika hita amin’ny sehatry ny fiainam-pirenena rehetra mihitsy. Mbola maro ny azo tanisaina fa samy niatrika sy niaina azy ireny isika. Ny toe-java-misy maneran-tany koa dia miova ary aingam-piova. Tsy maintsy hisy fiantraikany aty amintsika izany ka tokony hivononana sy hahamailo antsika. Ny rafitra napetraka maneran-tany taorian’ny fanjanahantany, ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao dia mametraka tontolo sy rafitra tsy marina na «injuste» mampahantra ny madinika, mampanankarena ny hafa, ny vitsy an’isa no mibaiko ary mazàna manao amboletra sy an-tery hanekena ny heviny. Isan’ireny ny tsindrin’ny fanatontoloana manoloana ny LGBTQIA+, ny famonoana ny tsy manan-tsiny amin’ny alalan’ny fanalàn-jaza, ny tsindry ara-toekarena sy ara-tontolo iainana sy ny maro hafa izay efa misy sy tiana ho voizina eto amintsika. Tena zava-doza ho an’ny firenena izany raha mahazo laka eto. Teo anatrehan’izany dia maro ny fanehoan-kevitra hita sy re tamin’ny sehatra Kristianina nandritry ny taona 2024 toy ny nataon’ny CEM, ny HFKF, ny FFKM, FJKM, EKAR. Miroso mankany amin’ny ratsy kokoa ny zava-misy. Tsy afaka mialangalana amin’ny fiainan’ny firenena ny Kristianina izay nantsoina ho «sira sy fanasin’ny tany», hoy hatrany ireto mpitarika Kristianina ireto. Manao antsoavo izy ireo, noho izany, mba hiaraka hanatanteraka hetsika iombonana mifanandrify amin’ireny fanambaràna efa natao ireny hametrahana an’Andriamanitra Andriananahary ho lohany eo amin’ny fiainan’ny firenentsika sy ny fiainantsika. Tena ilaina, hoy izy ireo, ny fanatanterahana «Conférence nationale Chrétienne» na fihaonambem-pirenen’ny Kristianina araka izay voasoratra ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 10 : 24 ka iantsoana ny sehatra sy tontolo Kristianina rehetra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT