kolontsaina

Fetin’ny ray Tsy dia nalaza loatra noho ny hasarotan’ny fiainana


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Nankalazaina omaly alahady 18 Jona ny fetin’ny Ray. Samy nanana ny fomba nentiny nanamarihana izany ny tsirairay tamin’ny ankapobeny saingy ny tena tsikaritra dia tsy nalaza loatra ny fety.

Raha araka ny resaka re tetsy sy teroa dia noho ny hasarotan’ny fiainana no mahatonga izany. Saika variana amin’ny fitadiavana ny hanin-kohanina avokoa mantsy ny rehetra ka tsy nahatsiaro intsony fa fety omaly. Manampy trotraka izany ny fanakaikezan’ny fotoana handoavana hofan-tranon’olona sy ny vidin-jiron’ny JIRAMA nefa mbola hankalazaina amin’ity herinandro ity ihany koa ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena. Ho an’ireo mpivarotra fanomezana manokana moa dia nanambara izy ireo fa tsy nisy firy mihitsy ireo nividy fanomezana ary namono izany tamin’ny fonosana tsara tarehy tamin’ity taona 2023 ity. Manaporofo izany hoy ireo mpivarotra fa tena sahirana ny Malagasy ary tena miady amin’ny fiainana ny ankamaroany. Na izany aza dia tsikaritra fa nalaza kokoa ny fankalazana ny fetin’ny Reny raha oharina tamin’ny fetin’ny Ray.
Pati
Legende : Nirantiranty fotsiny ny fanomezana tena an-tsena fa tsy nisy mpividy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT