FETIN’NY PASKA AO ANTSIRABE

Miainga isaky ny 30 minitra ny taxi-brousse


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

renivohitry ny Faritra Vakinankaratra. Efa miainga isaky ny 30 minitra ny taxi-brousse miazo ny lalam-pirenena fahafito, nanombola afak’omaly Alatsinainy ka lohalaharana amin’ireny ny miazo an’ Ambatolampy sy Antsirabe. Ankoatra ireo taxi-brousse miainga isaky ny 30 minitra ireo dia misy ihany koa ireo dimy hafa mandeha isan’ora raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana ka nampitomboana nanaraka izany ihany koa ny isan’ny mpamily ho lasa roa. Tanjona ny hisorohana ny olana ateraky ny tsy fahampian’ny torimaso ka mety hitera-doza. Notsindrian’ireo tompon’andraikitra moa fa tsy misy ahiana ny mety ho tsy fahampian’ny taxi-brousse miazo ny lalam-pirenena fahafito na izany aza. Betsaka tamin’ireo fiara nampanaovina fikojakojana hatramin’izay mantsy no efa ela no niandry ny fahafahany mandeha. Tsy mbola niakatra aloha hatramin’ny omaly ny saran-dalana miazo an’Antsirabe fa mbola nijanona ho 8.000 Ar hatrany.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT