kolontsaina

Fetin’ny noely teto Iarivo Hentitra ny fitsirihana ireo fiara, moto, mpanendaka,…


  • Talata 28 Desambra 2021

Nahatratra 225 ireo fiara sy moto voatery narahi-maso nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely teo teto an-drenivohitra.

 Ny 5 tamin’ireo fiara ireo niampy moto 6 no nisy olana tamin’ny resaka jiro. Nisy moto miisa 36 ihany koa nanana olana hafa. Ny 06 tamin’ireo tsy nisy fitaratra na retroviseur raha tsy nanana « casque » kosa ny 30 isa. Olona miisa 184 ihany koa ankoatra izay no narahi-maso. Ny 08 tsy nitondra kara-panondrom-pirenena, ny 24 tratra tao anatin’ilay « operation pickpocket » na ady amin’ny asa fandehana sy ny hala-botry ary ny famakian-trano. Ny 05 tamin;ireo mpoa no nakarina teo anivon’ny biraon’ny polisy ao amin’ny boriborintany voalohany, ny 03 tao amin’ny Boriborintany fahaenina ary ny 02 tao amin’ny Boriborintany fahafito. Ny iray ambiny kosa tao amin’ny Boriborintany fahavalo, raha voaroiroy tamina resaka fanafihana miaro herisetra ny 06. Nisy ihany koa ny loza naharatrana olona teny Mahamasina raha nahasimbana fitaovana kosa ilay nitranga teny Andohatapenaka teny amin’ny Akoor Digue, resaka kilalao nirehitra raha tsiahivina.
Pati
Legende : Mbola betsaka ireo moto tsy manara-dalana amin’izao !
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT