kolontsaina

Fetin’ny noely sy ny faran’ny taona Hampilalao ny fianakaviana ny zava-pisotro “Caprice”


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Hampilalao ny isam-pianakaviana indray ny zava-pisotro Caprice manomboka izao no fanamarihana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. “Family Chef caprice” no anarana nampitondraina ny hetsika.

 

Nanomboka, omaly ny fisoratana anarana ao amin’ny pejy facebook an’ny Caprice. Mandefa fomba nahandro iray, miaraka amina cocktail vita amin’ny zava-pisotro caprice toy ny  bonbon anglais, grenadine, tonic, ary orange ny mpandray anjara ka ao anatin’izany no hifantenan’ny mpitsara izay nahandro tsara sy miavaka indrindra. Ao anatin’ny hafatra miafina no handefasana azy. Haharitra hatramin’ny 19 novambra ho avy izao ny hetsika raha ny 29 novambra kosa no famaranana ny lalao. Fianakaviana miisa dimy mandray anjara amin’izany no ezahina haparitaka amin’ny tambajotra “You tube” sy ny pejy facebook an’ny caprice ny zava-bitany ka ho hita ao anatin’izany avokoa ny fomba fikarakarana rehetra hataony. Manomboka ny 8 ka hatramin’ny 14 desambra kosa no hifantenan’ny olon-drehetra izay sakafo tsara indrindra natolony mialoha ny hanomezana ny loka mitentina 5 hetsy Ar, hahafahana miantsena eny amin’ireo tranombarotra lehibe… ho an’izay hivoaka ho mpandresy  ny datin’ny 15 desambra. Tsiahivina moa fa mbola hijanona ho an’ireo fianakaviana eto an-drenivohitra ihany ny hetsika hatreto.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT