kolontsaina

Fetin’ny mozika 2021 Hanandratana mpanakanto vao misondrotra


  • Zoma 11 Jona 2021

Hiavaka indrindra amin’ny hatrizay ny fetin’ny mozika amin’ity taona 2021 ity, izay hanomboka ny 14 ka hatramin’ny 21 jona izao,

 

 

noho ny firosoany misimisy kokoa amin’ny fanapariahana ireo fampisehoana amin’ny alalan’ireo tekinolojia manaraka ny toetr’andro ankehitriny, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara avy anivon’ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma sy ny Alliance française de Madagascar tetsy amin’ny AFT Andavamamba omaly. Mananika ny 130 isa ankehitriny ireo firenena mankalaza azy ity ary isan’ny nampiavaka ny fankalazana teto Antananarivo tamin’ny taon-dasa izay fampitan-davitra ny fampisehoana teny an-tambazotran-tserasera rehetra teny izay tamin’ny fiarahamiasa tamin’ny Telma, hoy hatrany ny fanazavana. Ho sady fanohizana izay fety miaraka amin’ny fiarovana ny lafiny fahasalamana noho ny fihibohana izay hatrany dia tapaka fa ho tohizana hatrany izay fomba fankalazana izay ary ferana tsy hihoatra ny 50 isa kosa ireo mpijery mivantana ireo fampisehoana manerana ireo Alliance française miisa 17 handray ny hetsika eto Madagasikara. Tanjona ny fanandratana sy fitrandrahana ireo mpanao mozika vao misondrotra sy miavaka ka antony maha maimaim-poana hatrany ny saram-pidirana. Mpanakanto maro noho izany no handray anjara ka isany ry ADN, Mr Sayda, Germain et Prince, Mamy Basta, Lohan sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT