FETIN’NY MAMAN’TY GRAND RETOUR

Etsy Antsahamanitra amin’ny 25 mey ho avy izao


  • Alakamisy 22 Mey 2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

izay karakarain’ny Natura Production. Etsy Antsahamanitra no hanatanterahana izany ny datin’ny Alahady 25 mey ho avy izao, fotoana hankalazana ny Fetin’ny Reny. Fihomehezana mandritra ny ora telo tsy ankiato no ho hita mandritra ny hetsika hiarahana amin’i Gothlieb, Francis Turbo….Tanjon’ny mpikarakara ny hamalifaliana an’i Neny raha tsy latsa-danja amin’izany ny ankohonana manontolo. Be loatra mantsy ireo adidy aman’andraikitra sahanin’izy ireny eo amin’ny androm-piainana ka mendrika sy rariny loatra raha tolorana fanomezana sy hampifaliana ny Reny amin’io andro io. 60.000 Ar ny tapakila VIP raha 10.000 Ar kosa ny fidirana tsotra. Tsiahivina moa fa anisan’ny fampisehoana tena miavaka ny Fetin’ny Maman Tia teto amintsika. Hiverina amin’ny heriny izy amin’io Alahady 25 mey fotoana hankalazana ny Fetin’ny Reny io ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra.
Pati
Legende : Vonona hanome fahafaham-po ny mpankafia rehetra ry Francis Turbo sy Goth Lieb, hotronondr’i Honorah sy ny namany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT