Ny 19 ka hatramin’ny 22 aprily ho avy izao no hotanterahina ao Nosy Be Hell Ville ny hetsika Nosy Be Jazz Festival. Andiany fahatelo moa izany izao izy ity ary raha ny fanazavana dia saika ireo kalaza avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena amin’izay mozika Jazz sy ny tontolony izay dia handray anjara amin’ny hetsika avokoa.
Anisan’ireo avy eto an-toerana, ohatra, ry Monica Njava sy Aina Rabesolo ary Aina Cook. Ho avy ihany koa ireo kalaza iraisam-pirenena toa an-dry Dean Nookadu sy Edmundo Carneiro. Ankoatr’ireo fampisehoana hira sy mozika dia hampiavaka ny hetsika ihany koa ny fanasongadinana ireo nahandro Malagasy amin’ny alalan’ny hetsika Haify Mampihavana, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny orinasa Telma izay mpanohana akaiky ny hetsika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.