FESTIVAL TSIAKA JIABY ANDIANY VOALOHANY

Hatao eto Madagasikara amin’ny taona 2025


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay Festival Tsiaka Jiaby notanterahina

tany Eoropa tamin’ny taona 2023 raha araka ny fanazavan-dRakotoseheno Mamy, izay mpikarakara ny hetsika. Nahatratra 70 olona nahitana mpanankato Malagasy maro mantsy no nalefan’izy ireo tany an-toerana izay afaka nanandratra avo ny maha-Malagasy sy nampirarakivy ireo tera-tany vahiny teo am-piakarana an-tsehatra. Ho entin’izy ireo eto Madagasikara izany fahombiazany izany amin’ny taona 2025 ho avy izao. Izao izy ireo dia efa mikarakara ka hisy ny fijerena ny talenta sy ny fahaizan’ireo mpanankato isanisany. Hoatokana araka ny talentany avy ny mpanankato. Hapetraka amin’ny toerany ireo efa tena malaza, toraka izany koa ny antonony sy ireo vao misondrotra…. Mandritra ny fifanentanana anefa dia hisy ny fandefasan’ireo mpanankato vonona handray anjara horonantsary mihetsika miisa 3 karazana raha kely hahafahana mijery ny sokajy tokony hisy azy avy. Tanjona amin’ity hetsika ity moa ny mba hahafahana mametraka amin’ny toerany ireo mpanankato Malagasy manoloana ireo mpanankato vahiny izay ho avy eto amintsika. Tafiditra ao anatin’ny fanandratana ny maha-Malagasy avokoa izany rehetra izany hoy hatrany ny mpikarakara.
Pati
Legende : Rakotoseheno Mamy, mpikarakara ny hetsika Festival Tsiaka Jiaby !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT