kolontsaina

Festival “Tiako Basesa” Famelomam-bolo ny kolontsaina Betsimisaraka


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Anio no hofaranana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika andiany voalohan’ny “Festival Basesa” ao Toamasina, izay nokarakarain’ny fikambanana tanora “Tiako Basesa”

tarihan-dRtoa Razandry Noella, sy hiarahany mitantana amin’ny zanaka navelan’ny mpanakanto Dede Fenerivo sy Jean Freddy, ary ireo tanora mpankafy ity kolontsaina Basesa ity. Ho fanomezan-kasina sy ho famelomam-bolo ity kolotsaina Betsimisaraka ity izay hitan’izy ireo fa manomboka ho tsy hain’ny tanora ankehitriny intsony, nefa isany nanana ny lazany sy nahafantaran’ny olona maro hatrany ivelan’ny nosy an’i Toamasina talohan’ny taona 90 izay nisian’ilay antsoina hoe “Tarika Kaiamba” tamin’izany fotoana. Ny alarobia teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika tao amin’ny “foyer social Canada”, tao anatin’ny telo andro hifarana anio alina dia nisy ny fifaninana natao ho an’ireo tanora amin’ny gadona Basesa, ka loka maro iarahan’ny fikambanana amin’ireo mpiaramiasa sy ireo mpanohana azy no omena ireo mahafehy ity kolontsaina Betsimisaraka ity, sy ireo mpandray anjara rehetra. Nisy ihany koa ny fifanakalozana sy adihevitra amin’ireo zokibe mpiangaly izany sy ireo zandriny liana nandritra ny hateloana. Voalazan’ny rehetra nandray anjara fa “tsy ho faty ny Basesa raha mbola misy ihany ny mpanakanto sy ny zava-kanto ary ny taranaka miaro izany. Atao fanao isan-taona ny hetsika mba hivein-dalana amin’ny fanandratana ny gadona Basesa ireo tanora miroso amin’ny zava-kanto fa tsy ho fahy hanandratra ny any hafa hatrany amin’ny vokatra omeny ny mpihaino sy mpankafy”. Na sarotra aza ny fanomanana natao dia afa-po ny fikambanana “Tiako Basesa”, araka ny nambaran’ny filohany izay efa manome fotoana ny rehetra sahady amin’ny andiany faharoa.

 

Rakoutou

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT