kolontsaina

Festival SORIBA Hetsika hampahafantarana ny Faritra Vatovavy Fitovinany


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Hotanterahina manomboka rahampitso 14 septambra any amin’ny distrikan’Ikongo ilay hetsika ara-kolontsaina “Festival Soriba”, tohanan’ny minisiteran’ny fizahantany.

 

Haharitra telo andro izy io, izay natao indrindra hampahafantarana ny kolontsaina any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany sady hitrandrahana ihany koa ireo tantara tsy mbola nisy mpahalala hatramin’izay ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Fikambanana iray avy any an-toerana ihany no nahitana ny hetsika ary nangataka tolo-tanana tamin’ny minisitera. Rehefa nojerena sy nohalalinina, hoy Razafitsiandraofa Jean Brunel minisitry ny fizahantany dia hita fa lalana iray hahafahana mampandroso sy mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany any an-toerana tokoa ka nanolo-tanana izy ireo. Ankoatra ny fanandratana ireo karazana kolontsaina efa nisy tany an-toerana dia hampahafantarina mandritra ireo efatra andro ireo ny toerana nisian’ireo fatina miaramila vazaha an-jatony namoy ny ainy nandritra ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany izay nanaovan’ireo razambentsika ny ainy tsy ho zavatra. Nomarihin’ny minisitra fa azo hisarihana mpizahatany vahiny betsaka maneran-tany ny fisian’ireo zava-baovao ireo hahafahana mampitombo ny vola miditra amin’ny fitondram-panjakana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT