kolontsaina

Festival Sambaraha –Tolagnaro Ho goavambe ny andiany faha-6


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Hanakoako any Tolagnaro ny 20 ka hatramin’ny 23 desambra ho avy izao ny festival Sambaraha andiany faha-6 karakarain’ny Cosfa. Hetsika ara-kolontsaina goavana izy ity.

 

I Tsiliva no hanafana ny lanonana any an-toerana, hisy ihany koa anefa ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina arahana fifampizarana sy fifanakalozana traikefa. Hiova endrika mandritra io fotoana io ny tanànan’i Sambaraha, tafiditra ao anatin’ny fanafanana ny ambiansy avokoa izany. Tanjona eto ny fampahafantarana ny faritra Anosy, ny zava-misy ao aminy mba hampiroboroboana ny fizahantany. Ny faritra Anosy izay anisan’ireo tena miavaka eto Madagasikara ary tokony hahasarika mpizahatany bebe kokoa. Ankoatra izay, tanjona kinendrin’ireo mpikarakara ihany koa ny hampahafantarana ny tanora ny kolontsaina mampiavaka an’i Tolagnaro sy ny kaominina mifanakaiky aminy tahaka an’i Esira..


RTT

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT